Manaiky Anao 'zahay (GPl)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avy t@ tsy nisy no namoronanao izao rehetra izao
Ny vavanao miteny dia velona ny tany
Indrindra moa fa izahay olom-belona nofo sy rà
Tahaka ny endrikao nasianao fofon’aina

Manaiky anao ‘zahay
Manaiky anao ry Ray 2 fois

Zava-manan’aina rehetra nataonao
Ny olom-belona dia niangaranao
Nomenao fahefana hanjaka ambony tany
Porofo fa lehibe ny asa-tananao
Ny olom-belona dia novolenao Fanahy
Ka afaka miresaka aminao mivantana

Manaiky anao ‘zahay
Manaiky anao ry Ray 2 fois

Zava-tsoa tokoa no nomenao
Saingy indrisy fa nohitsakitsahanay
Naleonay nifidy ny lalam-pahotana
Very anefa izahay raha lavitra Anao
Nefa tonga ianao hamonjy anay
Nirahinao i Jesosy anafaka anay

Manaiky anao ‘zahay
Manaiky anao ‘ry Ray 2 fois
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/gpl/manaiky-anao-zahay-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GPl
Vangy : 678
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ramanampamonjyelie
Daty : 29/01/2018 14:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0664