Masoandro mibaliaka avy any atsinanana (GPl)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny masoandro izay mibaliaka Miposaka avy any atsinanana
Inona no ataony e, mitetitety vazan-tany
Mandeha mandondona isam-baravarana
Jesosy iny e! no masoandro ô !
Hitondra fahazavana ho an’izao tontolo izao
Henika azy ny vazan-tany
Mandalo eto izy anio
Mandondona ao am-ponao ao
Iny masoandro izay mibaliaka
Miposaka avy any antsinanana
inona no ataony e, mamoha izao rehetra izao
Izay rehetra lalovany
miramirana avokoa
Jesosy iny e! no masoandro ô!
Tonga hamelona izay maty ao @ ota
Henika ny vazan-tany
Mandalo eto izy anio
Hitondra fifohazam-panahy
Iny masoandro izay mibaliaka
Miposaka avy any atsinanana
Tsy maintsy handao ny tany
Ny tany manantena fa vetivety foana
Ny fiverenany indray
Jesosy iny e! lasa izy
Nande nandao ny tany
Nefa mbola hiverina indray
Ny fiverenany dia fifaliam-be
Hitsena ireo mpanjaka
ireo olo-masina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : GPlVangy : 1221
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ramanampamonjyelie
Daty : 29/01/2018 14:15