Talenta ho fanompoana (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Dera sy saotra no ventesinay
'Zay mankasitraka ny asanao ry Ray
Fahasoavanao no naha toy izao
Ka nitahiry anay ilay fitiavanao
"Feon'ny lanitra", fihiram-baovao

Ref.: Ny talenta maro efa nomena
Ampiasaina ireny mba hitombo
Hitoriana Filazantsara
Izay manana afaka hizara
Ho afa-mizara ny fiainana tsara
Ka dia mahereza, ndao mitsangana

2. Misy tanjona, misy valisoa
Ho an'ireo miasa sy manompo amin'ny fo
Amim-pifaliana no hidiranao
Amin'ny fiainana natokany ho anao
Feo fiderana no hanakoako ao

Ref.: Ny talenta maro efa nomena ...

3. Fa ny hafatra 'zay tianay atao
Aza alevina ireo talentanao
Dia tsy ho mpanompo ratsy malaina
Fa ho mazoto tsara hanome ny aina
Voafidiny ho iraka ilaina

Ref.: Ny talenta maro efa nomena ...
--------
Rohy:
Hevitra
Solofomandimby ( 26/04/2023 06:54)
Hira fanevan'ny faha-35 taonan'ny Feon'ny Lanitra Ilanivato ity hira ity;
araka ny teny faneva hoe :"Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra." IKorintiana 12: 4-6
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 300
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 07/03/2023 06:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757