Fitiavana (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Lehibe loatra, Tompo ô
Raha ny fahasoavana omenao
Tsy hay lazaina
Tsy hay tantaraina
Tsy hay faritana

Mamiko loatra, Tompo ô
Raha ny fitiavana omenao
Fitia tsy miofo
Ary tsy mba misy fitaka

Ref: Fitiavana no nomenao ho famonjena izao tontolo izao
Ny ainao aza nomenao maimaim-poana
Fanetren-tena tsisy ohatr'izany
Hatramin'izay naha tany ny tany
Ny FITIAVANA tsy ho levona mandrakizay

2. Misaotra Anao 'zahay Jesoa
Noho ilay fahasoavana omenao
Fanetren-tena
Tsy noterena
Ho fianaranay

Ankasitrahanay koa
Fa henika fiadanam-po
Izahay izao
Matoky Anao tsy mba miahiahy

Ref: Fitiavana no nomenao ... (x2)

Fitiavana mahari-po
Mora fanahy sy tsy mialona
Ny FITIAVANA tsy ho levona mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 544
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 28/04/2022 08:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0902