FANEKENA (Dany Ranoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dô dia F

1-Hatramin’izao, izaho sy ianao
Dia toy ny vary sy rano
Ny faneken’izay atao dia ny hoe:
Ny hanorin-tokantrano!

Ny lanitra sy tany
Vavolombelona am’izany
‘lay Zanahary ao an-tampon’ny loha
Hitahy antsika hatrany hatrany

Ny peratra ‘zay natolotro anao
No porofo manankery
Sy manamafy ny voady izay natao
F’izaho dia ho anao irery !

Isan’andininy:

Ianao no reharehako !
Na aiza tany alehako
Amin’ny soa sy ny ratsy
Dia hifanohana mafy
Ianao no fianteherako
Hatramin’ny androm-pahanterako
Ilay fitiavako anao tsy ho ritra
Satria mifampatoky isika!

2-Hatramin’izao, izaho sy ianao
Dia toy ny rano sy vary
Ny faneken’izay atao dia ny hoe:
Sanatria ‘zay hifanary !

Ny lanitra sy tany
Vavolombelona am’izany
Ho toy ny lamban’akoho ny fitia
Ifanolorantsika androany!

Ny peratra ‘zay natolotro anao
No porofo manankery
Sy manamafy ny voady izay natao
F’izaho dia ho anao irery

Dany RANOA 1981
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Dany Ranoa
Visites : 1271
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : FanjaAndriamanoa
Date : 24/05/2020 18:26
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1194