Ny fitondran’Andriamanitra (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitondran'Andriamanitra
Tsy mba fantantsika loatra,
Any ambadiky ny rahona
Ka mihatra vao mampiaiky
Indraindray re!

Indraindray toa misento
Ka mijaly lalandava;
Raha mba mifaly aza
Dia diasam-pahoriana;
Tsy mba misy izay maharitra
Itony fiainantsika eto:
Mora miova ka tsy azo ianteherana

Tsy mahagaga anefa izany,
Fa tany ity fonenantsika,
Ka raha mbola monina eto, Izany no anjarantsika

Ry antitra sy tanora ô!
Aza be fangatak'andro,
Tsy mba fantatrao akory anie
Izay andro hodianao;
Tsy mba hitanao va re
Ny olo-mora toa anao,
Fa efa lasa any am-pasana,
Ka mangina izy any

Ka raha izany ihany,
Andeha mba hifankatia:
Velona manan-kavana,
Maty tsy mba hohadinoina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FIFOHAZANA
Vangy : 4425
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 16/04/2016 14:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728