OLOM-BAOVAO (Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ))

https://tononkira.serasera.org/hira/feo-mahafaly-ny-ziona/olom-baovao

OLOM-BAOVAO  -  FEO MAHAFALY NY ZIONA

REF : Olom-baovao aho izao naterak’indray
          Olom-baovao aho izao naterak’indray
          Fanahy Masina dia ny Fanahin’ny Tompo
          Voadio tamin’ny otako

(Solo) 1
‘zaho no nangalatra taloha (tsy nojereny)
‘zaho no nanompo tompo hafa koa (tsy nojereny)
Ninon’inona mety ataoko (nofafany rehetra ireny)
OLOM-BAOVtononkira.serasera.orgAO aho izao

(Solo) 2
Raha nangataka zavatra Aminy aho (manome Izy)
Raha niresaka zavatra Aminy aho (mihaino Izy)
Nomeko hanjakany ny fiainako (apetrak’ho tantanany)
OLOM-BAOVAO aho izao

Terak’indray ×8
Tamin’ny Fanahy ×7
OLOM-BAOVAO aho voadio tamin’ny otako
Naterak’indray aho e! Tamin’ny Fanahy
Nohon’ny famindram-pony
Fiainam-baovao no iainako izao

**************FMZ**************

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)
Mpamaky : 91
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mamybernard
Tamin'ny : 24/07/2020 22:01:37
ID : 12909

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo