HAODY RY SAKAIZA (Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HAODY RY SAKAIZA  -  FEO MAHAFALY NY ZIONA

Indro fa mandondona ao am-po (am-ponao ao)
Jeso Tompo ka vohay varavarana (vohay)
Hikasa sy hila fihavanana toy ny ray sy zanaka
Mifamatotra ao am-po.

(solo 1)  Izaho ange nandritr’izay ela izay
              Tsy ta hafantatra Azy akory
              Tsy mendrik’izany aho angamba
              Asa re na minia ny ho jamba
              Aoka ihany hitoetra ho toy izao

(solo 2)  Ho haiko ve ny hanao izay sitrany
               Handà izao tontolo izao
               De ho hafoiko ho toy izany koa
               Ireo rehetra nanarako fo
               Aoka ihany hitoetra ho toy izao

(duo)  Nefa raha sitraky ny Ray tokoa
            Ny hahatonga ahy ho mpankato
            Ekeko fa hainy avokoa ny hanao izay mahasoa
            Ka hanavaozany indray ity tenako

(solo) Sitraky ny Ray ; Sitraky ny Ray ; Sitraky ny Ray
(chœur) Ny hahatonga ahy ho mpankato

T&F : RAVELOSON HERILALAINA

**************FMZ**************
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)
Vangy : 447
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mamybernard
Daty : 25/07/2020 00:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.284