IANAO (Fara Andriamamonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
IANAO

Ianao no tiako hitoetra ao anatiko
Ianao Tompo o no tiako hanapaka ny foko
Aza avela hisy re, hibahan-toerana ao
Foiko manontolo ho anao ny foiko
Anjakao

Refrain :
Tsy ny Fiadananao , ihany re, no ilaiko
Tsy fitahiana koa, tsy izany no andrandraiko
Fa Ianao mihitsy
Ray, zanaka, fanahy
Ianao manontolo Tompo o
Ianao no tiako ho ahy.

Faniriana sy hetaheta lalina ao am- po
Dia iray fijery, iray fitiavana izaho sy Ianao
Indro re ny foko anio, vohaiko hidiranao
Foiko manontolo ho anao izy io
Anjakao

Refrain.
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 30/12/2023 09:40)
Hay ianao no lohatenin'ity hira ity?
Efa misy an'ity mantsy ao fa Ianao no tiako hitoetra no lohateny ao
https://tononkira.serasera.org/hira/fara-andriamamonjy/ianao-no-tiako-hitoetra
hanitraral9 ( 30/12/2023 11:55)
Rahavaviko I Fara Andriamamonjy Ary Ianao no lohateny nanaovany azy tamin’izy namorona azy
hery ( 31/12/2023 00:42)
Hay misaotra anao
Io izany no tena izy 💖
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fara Andriamamonjy
Vangy : 195
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hanitraral9
Daty : 30/12/2023 08:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722