Tongava re Jeso fa vonona izay (Faneva Fandresena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza re no mba azoko hametrahana ny entana mavesatra izay mitambesatra ato amiko
Aiza koa no misy toerana hametrahana ireo ahiahy zay nampahory ahy...

Tongava re Jeso fa vonona izahay
Mihamafy ny ady ety, mangotraka sy mahamay
Raha mbola hisy ny ampitso tehirizo re zahay
Nefa miangavy aho mitalao
Tongava ianao amin'izay
Ny fiavianao Tompo ô no fitsaharan'ny fanahy
Avia re avia Jeso, raiso ny fanahinay

Aiza re no misy toerana hitsaharana fa mahasasatra ny lalana izay hizorako izao
Aiza re no misy fifaliana lavitry ny fijaliana e ka hitoerako sy honenako

Tongava re Jeso fa vonona izahay
Mihamafy ny ady ety, mangotraka sy mahamay
Raha mbola hisy ny ampitso tehirizo re zahay
Nefa miangavy aho mitalao
Tongava ianao amin'izay
Ny fiavianao Tompo ô no fitsaharan'ny fanahy
Avia re avia Jeso, raiso ny fanahinay

Iza re no afaka hanala ny mangidy izay sotroiko hampivadika azy mba ho mamy
Iza koa no hampitony izany foko mitomany mba hihonona ka hody ho fifaliana izany

Tongava re Jeso fa vonona izahay
Mihamafy ny ady ety, mangotraka sy mahamay
Raha mbola hisy ny ampitso tehirizo re zahay
Nefa miangavy aho mitalao
Tongava ianao amin'izay
Ny fiavianao Tompo ô no fitsaharan'ny fanahy
Avia re avia Jeso, raiso ny fanahinay

Aiza re no misy teny mamy tambitamby tsy ho lany mba hasoloko ny ratra tety an-tany
Aiza re no misy fihobiana horakoram-pifaliana e mba hasoloko ireo karazam-pahoriana

Tongava re Jeso fa vonona izahay
Mihamafy ny ady ety, mangotraka sy mahamay
Raha mbola hisy ny ampitso tehirizo re zahay
Nefa miangavy aho mitalao
Tongava ianao amin'izay
Ny fiavianao Tompo ô no fitsaharan'ny fanahy
Avia re avia Jeso, raiso ny fanahinay
Avia re ry Tompoko
Raiso ny fanahiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Faneva Fandresena
Vangy : 900
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nyrav
Daty : 31/08/2017 20:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717