Miady ny tenako ety (Faneva Fandresena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miady ny tenako ety
miady nefa tsy ho resy
ilay jesosy ao ambony ao no heriko
Vonona izy hiantoka ahy
raha sendra ady aho tsy mba manahy
mpandresy foana ny anarako raha mbola ety

Matoky azy aho fa tsy maintsy ho mpandresy
mino aho sy manantena fa tsy ho resy
fanenjehana, fankahalana
tsy ahoako izany
fiainako an-tanan'ny Ray
mpandresy foana aho mandrakizay

Matoky azy aho fa tsy maintsy ho mpandresy
mino aho sy manantena fa tsy ho resy
fanenjehana, fankahalana
tsy ahoako izany
fiainako an-tanan'ny Ray
mpandresy foana aho mandrakizay

Mafy ny ady zakaina
mila hanaraka hatramin'ny aina
Tsy ataoko hahakivy izany na hampitomany
Tsy mihemotra izao diako izao
Jerosalema no ambadika ao
Mpandresy foana aho raha mbola ety

Maro ny sakeli-dalana
Tsy mahataitra finoana no hananana
Ampinga ho entina miady raha mbola ety
Ô vavaka koa tsy ho adino
Aina sy hery ho antsika pino
Fikiro ny tenin'i Tompo de aoka tsy hiala

Aza mba miverin-dalana fa mandrosoa
Mpandresy foana izany no ataovy ao an-doha
Na de betsaka ireo fahorina e
Tsy mihemotra isika e
Lanitra no tanjona
Ny anjaranao miambina

Aza mba miverin-dalana fa mandrosoa
Mpandresy foana izany no ataovy ao an-doha
Na de betsaka ireo fahorina e
Tsy mihemotra isika e
Lanitra no tanjona
Ny anjaranao miambina

Na de betsaka ireo fahorina e
Tsy mihemotra isika e
Lanitra no tanjona
Ny anjaranao miambina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Faneva Fandresena
Vangy : 851
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nyrav
Daty : 31/08/2017 20:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0766