Maro ireo zava-manjo (Faneva Fandresena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo zava-manjo
Zava-tsarotra mihatra amiko
Tsy mba misy olona na de iray akory aza
Hijoro hanohana ahy,hitari-dalana ahy
Raha jerena aho toa mandeha irery

Maro ireo zava-manjo
Zava-tsarotra mihatra amiko
Tsy mba misy olona na de iray akory aza
Hijoro hanohana ahy,hitari-dalana ahy
Raha jerena aho toa mandeha irery

Aoka ho tsapako fa tsy mandeha irery aho
Raiso ny tanako tano amin'ny tananao
Fa fantatrao ry Tompo fa tsy misy afa-tsy ianao
No antenain'ny foko, tsy mba mahafoy ary tsy mandao

Aoka ho fampahatsiarovana eo anatrehanao ny fivavahako
Ka hisy famonjena azo antoka
maniry indrindra anao
Fa maniry anao indrindra ny fanahiko

Aoka ho tsapako fa tsy mandeha irery aho
Raiso ny tanako tano amin'ny tananao
Fa fantatrao ry Tompo fa tsy misy afa-tsy ianao
No antenain'ny foko, tsy mba mahafoy ary tsy mandao

Aoka ho fampahatsiarovana eo anatrehanao ny fivavahako
Ka hisy famonjena azo antoka
maniry indrindra anao
Fa maniry anao indrindra ny fanahiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Faneva Fandresena
Vangy : 806
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nyrav
Daty : 31/08/2017 20:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748