Aza mangataka andro (Faneva Fandresena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay be fitiavana, be indrafo
No miantso anao isan'andro
Tsy mety reraka na sasatra
Fa isan'andro izy de mikatsaka...

Aza mangataka andro ianao
Fa mibebaha izao anio izao
Jesosy Tompo anie ka tia anao
Hatolory azy ny fonao

Mandalo ihany izao fiainana izao
Koa aza variana eto ianao
Mbola androm-pamonjena izao
Ka araraoty, vonjeo ny ainao...

Aza mangataka andro ianao
Fa mibebaha izao anio izao
Jesosy Tompo anie ka tia anao
Hatolory azy ny fonao

Izay mino sy atao batisa
No afaka handova paradisa
F'izay tsy mety mino kosa
De hanenina fa hohelohina...

Aza mangataka andro ianao
Fa mibebaha izao anio izao
Jesosy Tompo anie ka tia anao
Hatolory azy ny fonao

Hifarana tsy ho ela ny ety
Fa ho avy mantsy i Jesosy
Hiakatra avokoa ka ho todisoa
Ireo rehetra nino sy nankatoa...

Aza mangataka andro ianao
Fa mibebaha izao anio izao
Jesosy Tompo anie ka tia anao
Hatolory azy ny fonao

Aza mangataka andro ianao
Fa mibebaha izao anio izao
Jesosy Tompo anie ka tia anao
Hatolory azy ny fonao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Faneva Fandresena
Vangy : 1496
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nyrav
Daty : 31/08/2017 21:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717