Ekeko izay voasoratra (Faneva Fandresena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toy inona ny lalana tsy maintsy mbola hijorako
Aiza ho aiza Tompo no hifarana ny diako
Raha mbola sarotrarotra tantano re ny tanako
Ianao no hery toky hifaharako
Na inona na inona no mety ho sedraina
Ianao irery no azoko antenaina
Tsy maintsy mbola ho mafy ve ny zavatra hiseho
Iny lalako iny Tompo mba jereo

Iny orana iny natao hilatsaka
Iny setroka iny natao hiakatra
Samy mandeha amin'ny nanoratana azy
Izaho de voasoratra ilanja sy hizaka
Nefa izaho anie fofombadin'ny mpanjaka
Ekeko re izay nanoratana ahy
Ekeko re izay nanoratana ahy

Ny ambadiky ny pejy anie ka zavatra tsy fantatro
Vavaka no ataoko mametraka ny fiainako
Raha misy vela-pandrika voavelatra ao alohako
Izaho tsy mahalala ny lalanao no hizorako
Ny avoaky ny ampitso anie ka mbola ankamantatra
Izay nalehanao ataoko lala-masaka
Tsy maintsy hifandimby ve ny mamy sy mangidy
Ekeko izay voasoratra tsy ahy ny safidy

Ny rano de natao hikoriana midina
Ny vorona voatendry hisiditsidina
Samy mandeha amin'ny nanoratana azy
Izaho de voasoratra hifaly sy hitomany
Nefa izaho de zanaky ny teny fikasany
Ekeko re izay nanoratana ahy
Ekeko re izay nanoratana ahy

Soa ihany fa mba misy tena azo antenaina
Soa fa misy lanitra ho fanavotan'aina
Jesosy tsy hanadino izay tokony ho anjarako
Voasoratra any an-danitra voasoratra ny anarako
Hita fa tsy mora ny hasarotry ny lalana
Matim-paniriana hotody eny an-tseranana
Ny lalan'ny ampakarina de mbola hisy farany
Iny lanitra iny voasoratra ho anjarany

Ny olom-bery anie voatokana hijaly
Fa ny Ampakarina voafidy mba hifaly
Samy mandeha amin'ny nanoratana azy
izaho mba miangavy miangavy re ry ray
Ny fihavianao no sisa handrasanay
Tongava re tongava amin'izay
Tongava re hampakatra anay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Faneva Fandresena
Vangy : 1125
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nyrav
Daty : 31/08/2017 20:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1734