Harena sarobidy (Faneva Fandresena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena zava-tsarobidy
Mihoatra ny zava-drehetra
No natolotry ny Tompo
Ho ahy sy ho anao

Harena lehibe
Mihoatra ny zava-drehetra
Izay efa voahomana
Hatry ny elabe...


Ny lanitra ilay toeran-tsoa
De ny lapan'Andriamanitra
Nefa foiny ho ahy sy ho anao
Ka andao hizotra ao
Volamena ny lala-kombana
Izay jerena dia tsara avokoa
Izay tonga ao dia ho feno hafaliana
Fa hahita maso an'i Jesosy


Miorena mafy ianao
Mahereza ka mivavaha
Mivonòna deny izao
Ry Ampakarina ô

Efa hiainga mantsy
Ity fiaran-danitra
Hamakivaky ny habakabaka
ka ho any an-danitra...


Ny lanitra ilay toeran-tsoa
De ny lapan'Andriamanitra
Nefa foiny ho ahy sy ho anao
Ka andao hizotra ao
Volamena ny lala-kombana
Izay jerena dia tsara avokoa
Izay tonga ao dia ho feno hafaliana
Fa hahita maso an'i Jesosy


Ôry Ampakarina ô
Efa vonona ary ve ianao
Ny handray ny lovanao
Raha miala etý

Maro ireo mpihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana
Fa tokana ihany no hahazo ny loka
De ny Ampakarina...


Ny lanitra ilay toeran-tsoa
De ny lapan'Andriamanitra
Nefa foiny ho ahy sy ho anao
Ka andao hizotra ao
Volamena ny lala-kombana
Izay jerena dia tsara avokoa
Izay tonga ao dia ho feno hafaliana
Fa hahita maso an'i Jesosy

Ny lanitra ilay toeran-tsoa
De ny lapan'Andriamanitra
Nefa foiny ho ahy sy ho anao
Ka andao hizotra ao
Volamena ny lala-kombana
Izay jerena dia tsara avokoa
Izay tonga ao dia ho feno hafaliana
Fa hahita maso an'i Jesosy
Izay tonga ao de ho feno hafaliana
hafaliana
Fa hahita maso an'i Jesosy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Faneva Fandresena
Vangy : 1062
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nyrav
Daty : 31/08/2017 21:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713