Ndeso! (Erick Manana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ndeso! Ndeso!
Ny fitiavanao mitongilana
Avelao aho ho very ila
Tsy hanody anao anie
Tsy handratra anao anie
Iny vitanao iny

Ny fahanginako
Ny fanaviako
Aza heverinao ho faharesena
Fa ny ho avy anie mora tefena
Tsy ho voafehinao anie
Tsy ho tananao anie
Iny fiarenako iny

Ka ndeso! ndeso!
Ny fitiavanao tsy hay nofefena
Aza asiana adino ny sisa tavela
Tsy handatsa anao anie
Tsy hanozona anao anie
Ilay voafitakao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Erick Manana
Vangy : 2852
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rasera
Daty : 11/12/2001 13:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744