Ody fitia (Eric Tahina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa ny saiko, lasa mankany aminao.
Maminavina izay mety ho ataonao
Lavitry ny maso akaikin’ny foko kosa ianao
Tsy andriko intsony izay hahitako anao indray...

Na ody fitia no nety nahatonga izany
Tsy mampiova n’inon’inona
Izaho koa efa tia anao rahateo.

Na fanaingalavitra na mbola ho zavatra hafa koa
Dia tsy mampanahy fa vao mainka hahasoa
Ny fiarahantsika ho mafy orina tokoa
Fa tafaray... adalam-pitia isika roa.
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/eric-tahina/ody-fitia-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Eric Tahina
Vangy : 3269
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 25/02/2003 06:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0764