You are here: home > Tononkira > Eric Tahina

Indray hariva izay (Eric Tahina)

Indray hariva izay
Sento sisa nenti-nody
Nialoha lalàna aho
Hamonjy ny fodiana
Eny(2) mamy raha hitohy
Iriko tsy hifankafohy ô!
Izay alehanao, aleako avokoa ry aiko
Raha lavitra ahy ianao
Izato dia tsy veriko irery ô!
Azo foana an’eritreritra
Ireo ora niarahana
Nitambirina ao an-tsaiko re
Ireo teny nisarahana

Indray hariva izay
Tsy tafandry ny alintononkira.serasera.org’iny
Mitanisanisa ireo fahiny
Na andro nifaliana
Na ady nifandirana
Toa tahirim-bolamena
Noa ho vasoka rahoviana
No nandraisako ny herim-pitiavana
Ankehitriny moa
Izaho irery no hanaraka
Hanohy ity tantara
Hiandrandra izay mahasoa
Ny fahatsiarovan anao anie
Hampody hery vao hampionona indray

Indray hariva izay
Sento sisa nenti-nody
Nialoha lalàna aho nilaozan’olon-tiana

Mpihira : Eric Tahina
Mpamaky : 8592
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 25/10/2001 14:10:01
ID : 105

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo