Andro ririnina (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tononkira.serasera.org Tsy ny fanananao harena
No hampiova ny fitiavako
Fa na misy na tsy misy volamena
Ianao no mba hany firavako

Ity foko efa tery
Feno fitiavana anao
Nahoana no dia avela irery
Moa va tsy mendrika anao?

Na ny masoandro aza akia
Tsy mamiratra no ianao
Maizimaizina ny aty
Raha toa ka hilaozanao

Feno rahona ny lanitra
Rava ny fanirihako
Naleonao nangarika
Toa izay hanatrika ny toaied akiviako

Lasa ianao toy ny andro eabfmxh ririnina
Mitondra hatsiaka sy taratra
Izaho kosa mitomany toa zaza nariana
Irery tratra andro fahavaratra

Tsy ny elanelan-tany
No hampiova izato foko
Eny na lavitra ahy any
Ianao no tsarovako




DADAH asxfkplp

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0346