Ampy zay (CNFF (Chorale Ny Feo Fihavaozana - FLMAK Ambohimena Antsirabe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tafalatsaka tanaty fandriky ny aizina aho
Fisedrana ve sa kapoka mahamay
Tsy nitsinjo izany làlako aho
Fa nikiry andeha anjambany ihany
Kinanjo tany an-kady no niafarany

2. Rakotr'aizina jambena anjakan'ny tahotra
Izay diaviko tady mamatotra ahy
Feno fandrika mamandrika
Faingàna Jesosy hanafaka ahy
Hampisava izany tahotro
miandry aho, miandry Anao

Ref:
Trotraka aho satria mba maty ery
Nikatsaka ny soa tety
Nisasatra ny ho lafatra
Hay nizotra hoany an-davaka

Tompo ô! soa fa teo Ianao
Tsy namela tamin'izao
Nitsotra ny tànanao (handray ahy)
Fay aho fay aho AMPY ZAY

3. Tsapako fa hay ny teninao no fanazavàna
Sy Fanilon'izay làlana hombana
Hatrizay nataoko ankilabao
Oriory aho vao nahatsiaro Anao
Ifonako Jesosy ô Avelao!

CNFF Juillet 2021
A/C: Zo Nafeno
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : CNFF (Chorale Ny Feo Fihavaozana - FLMAK Ambohimena Antsirabe)
Vangy : 408
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Valova
Daty : 24/07/2021 00:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077