LYMPHANTIUM (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
LYMPHANTIUM - Buddha El Taga & Miora Rabemanantsoa

Miora part
Nofy iray miravaka loko maro
No namoha ahy, handrav’ilay fefy iray izay namatotra ahy
Nanakana ahy, namingana ahy
Ela loatra aho no namihina fahatsapana mandringotra ny ampahin-tsiky izay ahy fa tsy halatra
Tony aho izao, f’aleo hitroatra

Refrain Miora
Tsy ahitàko anarana ny fatotra mangeja ahy
Hamboly elatra aho
Hilefa, hitsidika ny any
Ny any izay tsy fantatro nefa moa ve no handaozako
Ny eto izay azo koloina
Asa ! Tsy haiko ! Very aho

Bridge Miora
Ho aiza aho ?
Angamba tsy anio…

Rap Taga
Raha izay rehetra narotsaka efa mihoatry ny fatra
Nahoana moa no hiafy eto foana nefa any ho any misy fiainana hafa
Hiafiafy eto foana tsy mba nahita masoandro
Manofy ratsy lava na dia atoandro aza ny andro
Na mijanona dia mijaly dia maty, lasa martioran’ny fijaliana
Na mandeha dia faly dia velona, lasa vavolom-belon’ny fifaliana
Ny foko maloton’ny hatezerana no nataoko nanakona ny feriko
Antso vonjy miafina ka fankahalana no namelona ahy, sisa fara heriko
Aotra ny lohako, niova ny fomba fijeriko, tapitra hatreo ny fiaretako
Dia aza avela ho lasa biby aho, hanahaka an’ireo biby manodidina ahy
Dia ampatsiahivo aho fa any ho any mbola misy hasambarana fa nafenina
Avoty aho fa tsy mbola maty ato am-poko ny hatsaram-panahy
Ampio aho hikaroka azy, mba ny fandalovako eto ambonin’ny tany tsy hisy nenina
Manaiky aho fa ny ozonozonao mafy noho ny tadio
Fa izao no tadidio, heverinareo fa mitovy isika, sanatria
Fa ny ahy loto ivelany nafafinareo ireny, dia indraindray aho verivery diha
Fa ny foko sy ny fanahiko tsy miova fa feno fitia
Ilay tena fitia

Refrain Miora
Tsy ahitàko anarana ny fatotra mangeja ahy
Hamboly elatra aho
Hilefa, hitsidika ny any
Ny any izay tsy fantatro nefa moa ve no handaozako
Ny eto izay azo koloina
Asa ! Tsy haiko ! Very aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 1146
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 19/12/2020 01:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734