Tsy hifampi-todi-damosina (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ekeko fa eto ambony tany tsisy Marina
Izany tokoa ny hoe tsy tonga lafatra fa mila mifam-piankina
Mifanohitohin-tsy ho lavo ohatran’ny ray sy zanaka ary fanahy masina
Dia mbola hifampitarika eto foana
Ary faty no hisarahana eto fa any ankoatra isika mbola hifanome fotoana
Hifanompo saina, hifanompo fo
Hifanome tànana hiara mikaon-doha
Fa sao dia mbola misy sahy ihany koa
Anozongozona ny finoako fa ny tangala sy ny tehina tsy foiko
Ary izaho tsy izao raha tsy izy, ary izy tsy izao raha tsy izaho
Fa izahay izao alaivo tahaka, fa izao ianao izao tsy afa-misaraka
Manaraka ny onjan’ny carpe diem fa ny ampitso afenina
Ary ny soa nataoanao rehetra aza asiana nenina
Fa ny teny filamatra ataovy hoe vonona aho
Anolo-tànana ho an’izay mbola mila ahy
Ary aza manantena valiny fa rehefa hainao ny manome dia manomeza
Ary ho ankasitrahako ny nataonao fa izany amiko ny tena toe-tsain’ny ngeza
Mahereza ka lazao ny any rehetra any
Ampari-amparitaho eran’ny vazan-tany
Fa mahery ny fiarahana, mahery ny fitiavana

REFRAIN x 2

Ny fahasambarana hitanao tany nefa
Hody fahoriana rehefa hitodianao lamosina ny rehetra
Ny fitsaranao ny hafa koa anefa
Ho adinina aminao rehefa tonga ny andro hitovizanao @ rehetra


Hiaradia fa aty mafy ny dingana tsy ho vita irery
Hifarimbonana ny rehetra atao fa izany hono no hery
24 ora sy fotoana rehetra lany t@ disadisa lasa tery
very fotsiny any, verivery fahatany
tsy hitondra akory ho aiza hafa tsy ho any @ vohitry ny fankahalana
mahakivy ny miaina raha ohatrohatr’izany
fa andao anarina anome indray endrim-baovao
fa tsy fankahalana no nanorenana an’izao tontolo izao
fa niorina t@ fitiavana ka hizara indray fitiavana
hifampi-tantana ka tonga mahantra fa mba mitsinjo ny tsy manana
ka @izay ho sisa tazana fahalebeazana
ho tonga fahagagana ampaniry ny ahi-maitso @ tany ngazana
fa izany tsy nofy fa mety nofy ho an’izay tsy te hiezaka
ka ny entan-jaray mora zaka @izay tonga mavesatra
O ry olombelona tongava saina fa ny biby aza mahay mifamelona
Ka izay mahavita tena no tonga lafatra no aoka hitora-bato
Fa raha misy dia angoniko ananganako ny lapabean’ny fahadisoan-kevitro ato ho ato
Fa raha ny fiheverana hoe rahalahy mifamadika, mifampialona @izao no lamaody nolovaina t@ Abela sy Kaina
Avotsory fa aza amikirana ny aina
Ho an’izay miseho mahaleo tena tsy matahotra na inona na inona
Mahatsiaro tena ho mazana ts’inona nefa mazana @ inona ?
Raha fifanampiana dia vonona aho fa andao
Saingy drafitra @izao efa vitsy mpanao
Sao lahy tsy tadidinao fa ny tany manafina paradisa sy afo be
Safidinao no aiza no andeha, efa hainao
Hainao ny làlana ho diavinao

REFRAIN x 2

Ny fahasambarana hitanao tany nefa
Hody fahoriana rehefa hitodianao lamosina ny rehetra
Ny fitsaranao ny hafa koa anefa
Ho adinina aminao rehefa tonga ny andro hitovizanao @ rehetra


Ankatoa tokoa ny tena finamanana
Anome sofina foana mandava-taona @ fananarana
Fa na ny kely efa hitan’ny teo aloha no zaraina
Ary miampy ny fahaiza-manao nomena fa tsy nalaina
Avy aiza ny fahatsorana ?
Fa misy tokoa faly manome noho ny tolorana
Tsy anjely akory fa olombelona ihany be fahotana
Fa mihezaka hatrany manena ny adalana
Ka ny soa vitan’ny hafa ve tsy ho vitako ? tsy ho vitanao ?
Ny tsara no hifaninanana atomboy dieny izao
Kelikely nefa ny finoana, impiry impiry moa ny akaiky namadika
Nianteherana fa nangarika, faly nangorina fa raha anolotra mody maty arika
Maty aho taniko lany mamy tsisy hafa-tsy faikany, rakotry ny haizina
Onivera Adesy ny vaikany
Ny ratsy ataon’ny hafa aleo ataony any
Ary aza hiamboana ny soa nataonao tany ho any

REFRAIN x 5

Ny fahasambarana hitanao tany nefa
Hody fahoriana rehefa hitodianao lamosina ny rehetra
Ny fitsaranao ny hafa koa anefa
Ho adinina aminao rehefa tonga ny andro hitovizanao @ rehetra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 1821
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 02/04/2016 20:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0836