Mahery fo (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niaina toy ny olon-drehetra tsy naniry fikorontanana
Niaina tam-pilaminana niaraka t@ fianakaviana sy ny havana
Mpiasa tany, tantsaha nionina t@ hery famokarana
T@ vanim-potoanan’ny fahamaroan’ny zanahary
Fa ny azy ny fangatahany sy ny fivavahany ho an’ilay mpamorona ny zavaboary
Faniriany, hitombo ny vokatra ka nidongidongy t@ tany
Ny vanin’andro latsak’orana no fanontaniana mipetraka matetika @ mpaminany
Fa tsy izany no valiny nomen’ny masina
Fa hoe hisy tafika avy any ampitan-dranomasina
Tonga hanafika, hanjanaka, hametraka ny didiny
Ka ho avy ny andro hizakana ny tena ngidiny
Vatan-dehilahy maro voatery handray sabatra tsy fidiny
Dia voatery koa tsy maintsy hiankohoka eo anoloanan’ny zanaharin’ny ady
Fa ny rivotry ny fifandonana no ho avy
Najanona ny asa aman-draharaha fanao mahazatra
Fa mbola ambony ny adidy ka sotoavina mandraha-paha lefin’ny daozin’ny fifandrafiana
Nefa izany moa ho tapitra rahoviana ?
Fa niara teraka @ fisian’ny aina ny habibiana
Niova ny rafitra misy,
Ka zanak’olombelona tokony hifamelona no hifamono sy tsy hifampitsitsy
Ka indro izy mpamboly tonga mpiady vonona andatsak’aina indrisy


Ohatran’ny mpiady be medievaly
Maty ho an’ny taniny fa tsy niandrandra medaly
Maty fa tsy milavo lefona
Eo anatrehan’ny mpanjanaka mijoro ho rindrim-bato, mijoro ho andrarezina
Ohatran’ny mpiady be samouraï
Miady ho an’ny hery fiarovana fa tsy hery mpanafay
Miady fa tsy milavo lefona
Eo anatrehan’ny mpanjanaka endrika biby, endrika fahaverezana
Mahery fo ho an’ny taniny, mahery fo ho an’ny tenany
Mahery fo ho an’ny taovany mahery fo ho an’ny terany


Ambavahon’ny fifandonana, ka niroso t@ sakafo sisa hiarahan-komana
Fifanaovam-beloma t@ alahelo ary tsy mbola nanan-danja ohatr’izany ny fifanorohana
Ranomaso nipatrapatraka toy ny orana
Fa otran’ny andro farany ny andro famoizana
Indro vonona ampifandona vy, andoko mena ny havoana
Tsy manan-tsafidy fa hifanandrina @ fahavalo no nandaniana fotoana
Hikiaka nanakoako feno fitarainana
Fa tsy ampy ny fanazaran-tena manoloana ireto bibibiby fisainana
Lian-drà, tsy nahalala fo mangoraka, ny andrava ihany, andringana hatrany
Ka hisaona ny tany mandritra ny andro maro
Sabatra manoloana ny tenda ka nitamberina tao an-tsaina tao anatin’ny sengondra iray ny fiainana taloha rehetra nahatsiaro…
Ny babibaby sy ny trotrotrotro natao t@ zanaka
Ka nahasahy namoy ny aina fa ny fananganan-tsandry teto fiarovana ny taranaka
Mafy ny ady, nefa mbola nanohy ny tolona
Ka tsy hijanona fa na maty na mandresy ny voadin’ny samouraï vondrona
Hara-kiri ny endrika miseho fa atody miady amam-bato ka lavo ireo mahery
Ny ankohonany zary tsisy nampionona fa manirery


Ohatran’ny mpiady be medievaly
Maty ho an’ny taniny fa tsy niandrandra medaly
Maty fa tsy milavo lefona
Eo anatrehan’ny mpanjanaka mijoro ho rindrim-bato, mijoro ho andrarezina
Ohatran’ny mpiady be samouraï
Miady ho an’ny hery fiarovana fa tsy hery mpanafay
Miady fa tsy milavo lefona
Eo anatrehan’ny mpanjanaka endrika biby, endrika fahaverezana
Mahery fo ho an’ny taniny, mahery fo ho an’ny tenany
Mahery fo ho an’ny taovany mahery fo ho an’ny terany


Nanjaka ny fahanginana, akanjo mainty sy vato fasana no namikirana
Feo an-tomany sisa nanenika ny habakabaka
Lokon’ny faneva mainty sy mena no hita miavaka
Mainty ho an’ny fisaonana, mena ho an’ny rà latsaka
Tsy niala tao ambavan’ny very mahery ny tonom-bavaka
Ny fahorian’ny hafa tokoa fifalian’ny sasany
Soa fa nisy ilay tsy niangatra anadina @ ora farany
Ka ny valifaty tsy nilaina, ny lalàn’ny taliona tsy nila nampiasaina
Fa niavaka ny toetsain’ny t@ finoana no notezaina
Nalahelo mafy fa maha-fehy tena, mitraka fa tsy nahamenatra ny faharesena
Fa ireo mahery fo niady amboninahitra, nanao ny ainy tsy ho zavatra
Tsy matimaty foana fa maty namela hafatra
Namela kamboty, fa tsy maintsy mandalo izany mba any aoriana ahafahana mioty lesona
Fa ny mahery fo maty ho an’ny taniny tonga fahasoavana fa tia tanindrazana
Ka aoka ny velona no hitantara, zanahary no hitsara
Fa tsy ho verivery foana ny herim-po sorona fa lovain’ny taranaka amam-para
Hivalombalona ny taona maro, hivalombalona ny taolam-balo
Vangivangim-panahy no nihaonana ary tsy ho hay ny tsy ahatsiaro
Mandraha-piavin’ny findaosan’ny fahaveloman’indray ny vatana
@ andro tsy mampaha-ory intsony ny fivoahan’ny varavaram-pasana
Fa @izao aloha Valhalla no toby fiandrasana
Mahery fo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 2010
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 02/04/2016 20:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3927