Hafatra fanavotana (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HAFATRA FANAVOTANA- BUDDHA EL TAGA FEAT MI

REF: MI
oooooooooouuu
Asivo androany, androany ihany
fo sy saina iray vaovao

VERSE ONE : BUDDHA EL TAGA

Asaivo asiany finiavana ny ara ataony mba ho eo anoloana
mba hitarafan'ny hafa ny tsara nataony
handefitra @ lesoka tsy haverina lasa lesona
indraindray ny teny nanindrona ohatran'ny lefona
tsy handratra ny fonao ny tanjona
fa hanaitra ny fanahinao hibanjina ny anaty sy ny maso fahatelo andinin-tena
de iny ianao niha-mafy faly aho
@ ny tsy hanitsahanao intsony ny maloto napetraky ny hafa
fa ny tanjona miara-tafa
dia tsy vitan'ny hoe ampy taona sy vita vaksiny de hoe vonona
tsara ny tifi-danitra fa tandremo sao mahafaty vorona
inoaka angamba fa tsy zay no tadiavina
hatramin'izay efa feo farina sy taona maro niondanana
dia ny totohondriko mivonkona tsy fandrahonana
fa mari-panajana ho an'ny fanahy aloha ny voalohany
raha mbola afaka miteny aho fanin-droany ho an'ny TANGALA
hay mbola misy fanin-telony ho an'ny rap tsy maninona na vitsy mpahalala vao maika tsara
aleoko lavitra izay toy izay hoe be mpandray fa an-tendrony
sarom-piaro aho fa vonona hifampizara ny soa raha tena soa tokoa
tsy hifampitodi-damosina andiany faharoa iny ho an'ny fihavanana
tsy nataoko filaza fa nataoko soa toavina, tena marina
tsy fahotana moa ko nahoana no ahafaty vao maika maha-velona
hifankatia tokoa fa olombelona samy olombelona, arakaraka
fa raha izay no miverim-berina matetika de lafatra

REF: MI
a a a
Asivo androany, androany ihany
fo sy saina iray vaovao
Asivo androany, androany ihany
fo sy saina iray vaovao

VERSE TWO : BUDDHA EL TAGA

Asaivo asiany fitiavana ny androny anio mba ahafahany mamafa ny ratsy rehetra vita
dia ny hafa no hitsiriritra hoe zay vao nahita ny tsy fahita
dia aleo ny olombelona maditra no melohana fa tsy ny mozika
fitaterana mitondra ahy any @ tontolo ampita
mandefa ny fanahy lavitra,mahatakatra ny ivelan'ny faritra
raha tsy hitan'ny maso tsy hoe tsisy fa voay ny finoana
dia hiala @ maha biby manan-tsaina fa hifoha ho olombelona manam-panahy no inoana
dia tsy hafa misaraka @ metafizika ny zanak'olombelona
tsy reraka ny TANGALA MAINTY mamerimberina
raha mbola misy trangan-javatra tsy takatry ny sain-tsika mila hatrehana
dia tsy omena tsiny ny tsy mahalala fa tsy fahotana ny tsy fahaizana
fa ny tsy fahaiza-miaina kosa "afo be"
amboroa mitarika ny vatana hirehareha
dia ny misitery sarom-patarina
tsy hino ny saina raha verivery lava eny foana mila mpitantana
raha misy manontany hoe aiza ny làlako?
metafizika no arabeako, làlan'ny fanahy no aleako
paradisa no tanindrazako, fa saingy tsy anjely ny anarako
mbola mandiha tany eto foana aloha dia miharitra
dia mba hitantarao aho tantara iray mahafinaritra
ampitsikio,hiverina ahazo fo madio
dia tadidio fa ilaiko izany anio dia anio
avereno amiko izay fifaliako mety nangalarinao
avereno izao dia izao

REF: MI
a a a
Asivo androany, androany ihany
fo sy saina iray vaovao
Asivo androany, androany ihany
fo sy saina iray vaovao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 3858
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 13/07/2016 11:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748