Metafizisianina an-tanin'adala (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ekeo izay ekenao, inoy izay inoanao ,
ohatran'ny fanekeko sy ny finoako fa hery mahery ny metafizika
Dia mijoro aho ho Tangala marina mino ny fitiavana,
mino ny fisian'ny fiainana ivelan'ny maso mahita
mino ny fiorenan'ny fiainana any ankoatra, mino ny fiainantsi-hita.

Nohariana izao tontolo zao ho anah sy ho anao
Dia nomena fahefana amin' izay zavatra rehetra nisy tao
Lavorary, niara-niaina ny olombelona sy ny biby, ny zava-maniry sy ny zavaboahary
Fa ankehitriny ny tany marary
Dia maty tsika ity, fa novolena fankahalana le saham-pitia
Ny olombelona amboadia, ho an'ny hafa sy ny tenany
Lasa zavatra hafa fa tsy ny fanahy intsony ny arenany
Lasa adala, dia nosoloina vorondolo ny voromailala
Tampindalan-kaleha, de lazaina fa ny paradisa ny afo be
Mila fametrahan-tanana, mila fanasitranana, mila famonjena marina
Fa ny fivavahana samihafa no hifamonoana sy hifamaliana
Lokon'hoditra sy ny fihaviana samihafa no hifanambaniana
Andriamanitra iray, olombelona iray, fitiavana iray, efa tsy inoan'ny olona intsony
F'efa babon'ny rendrarendran'ny tany ny sainy sy ny fony

hou hou hou.......

Aiza ho aiza, aiza ho aiza, aiza ho aiza no andeha
Fa tsy manalavitra ny tany ny afo be
Aiza ho aiza, aiza ho aiza, aiza ho aiza tsika
Fa tsy manalavitra ny tany ny paradisa
Aiza ho aiza, aiza ho aiza, aiza ho aiza no andeha
Fa tsy manalavitra ny tany ny afo be
Aiza ho aiza, aiza ho aiza, aiza ho aiza tsika
Fa tsy manalavitra ny tany ny paradisa

Very izy, dia soratantsika eny amin'ny rindrina hoe: "ombay mitady ny fanahany"
Raha sendra hitanao dia atero any aminy
Dieny izao dia asaivo soratany ao anatin'ny bokin'ny fahasambarana ny anarany
Sy izay rehetra mba fangatahany fa lava dia lava hono hoe ny filaharana
Fa na ny mafy aza anie mba mitomany miafina
Fa na ny mazana amin'ny fiainana aza mba mila ihany fitsaharana
Fa hatramin'izay niazakazaka, nandositra tsy hita hoe ho aiza fa enjehan'ny adalany
Dia lazainy fa fahavalony daholo izay rehetra hitany teto ambonin'ny tany
Nefa ny tenany ihany izany hiadivany izany
Nomena aina dia mahaiza miaina
Aza kivy, aza ketrakatra fa misy mihaino foana ny taraina
Fa tsika ihany no mahay manoratra ny tantaran-tsika
Safidiko ny ahy ny metafizika
Fa mba te ho adala koa anie aho ry gasy
Dia soa fa taty amiko ny basy dia tsy nisy ny maty

Aiza ho aiza, aiza ho aiza, aiza ho aiza no andeha
Fa tsy manalavitra ny tany ny afo be
Aiza ho aiza, aiza ho aiza, aiza ho aiza tsika
Fa tsy manalavitra ny tany ny paradisa
Aiza ho aiza, aiza ho aiza, aiza ho aiza no andeha
Fa tsy manalavitra ny tany ny afo be
Aiza ho aiza, aiza ho aiza, aiza ho aiza tsika
Fa tsy manalavitra ny tany ny paradisa

Raha mpanao fahagagana aho dia nataoko gaga ianao
Raha mpanao hosodoko aho dia nolokolokoiko ny sarinao
Fa mozika no aiko dia mozikazikaintsika eto aloha ny fiainana
Dia fenointsika fitiavana ny ambon'ny andro sisa iainana
Dia tsy ionona amin'ny zava misy fa alefa lavitra ny fisainana
ahafahantsika miverina amin'ny fototra
hamonoantsika ao anaty ny biby romotra
Dia aoka izay nanao ny tsara no ho tadidin'ny tantara
Dia amin'izay any aoriana any, ho tany sambatra no hiainan'i Dimby, hiveloman'ny Fara
Fa na ho enao rery aza sisa no ho Tangaleanina sisa tafajanona, mijoroa ho olom-banona
Dia aza avela ho honohono sy angano ny tantarany
Fa raha mbola misy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenana
Aza matahoatra fa tsy lavitra ny fahazavana
Dia hifampitantana fa mistery ny eto tsisy hoe aiza ny tena marina
Fa ny azo ekena sy ny tsy mampisalasala
Dia ny eto sy ny any ho any misy, enao mahalala
Mety ho enao mety ho izao, ilay metafizisianina
Metafizisianina an-tanin'adala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 3570
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 31/03/2016 21:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761