Andro Maloka (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
( BUDDHA EL TAGA )

Mandoalika izy fa resy,
Nitoto tany, manangatanan-droa manondro lanitra manontany
Hoe fa maninona izy no mitomany ?
Hoe tsy maintsy izany ve ny zavamisy
Sa ny vintana no tsy tao fa efa lasa tany ho any indrisy
Sokafany ny masony ary ny hafa toa velon-tsiky
Fa mba aiza ny azy ? Aiza ho aiza fa @ izao aloha izy voasazy
Io ny masoandro fa ny azy toa takona
Ny androny anio lavitry ny fitiavana, rako-javona, lavitry ny fahasambarana
Teny iray no mahafehy ny manjo azy « fijaliana »
Ary izay no hita eto tsisy hafa tsy izay « fahoriana »
Ny afobeany toa efa indro tazany ary ny fianany oran’afo no afafiny
Mba ezahany afenina ihany izany hakiviana izany fa toa tsy nety
Inona moa fa vao maika ny adin-tsaina indray no nisesisesy
Ary zary latsa ho azy ny teny hoe ny zava-drehetra misy hisafidianana
Fa niana izy toa niangarana, tsy nisy akory anjely mpiambina
Olon-dresy tojo olana tsy mba nisy mpanolo-tànana
Nilaoza-namana, nangarihan’havana
Dia miady irery tsy misy mpiara-miory akory
Fa ny fidoboky ny fony miha-mafy
Ny lohany efa ho vaky, ny sainy efa simba tonga hitapy
Ary raha ho levon’ny torimaso moa ny olana maninona
Fa tsy fantatra indray izay ho avoakan’ny ampitso tsinona
Ka dia hifantoka @ fanefitra famonoan-tena
Fa ny vatana hitoeran’ny fanahy feno fahalemena

REFRAIN & BRIDGE (BUDDHA EL TAGA & MI )

Dia nanontany
Ho dify ny andro ratsy sa hitohy hatrany ?
Ka ny fahorian’ny lasa no mbola hivaly androany ?( hey… hivaly androany)
Dia nanontany
Ho lefy (ve) ny fahoriana sa tsy anam-piafarany ?
Ka ny omaly, ny anio, ny ampitso hitovy ihany ? ( hey…hitovy ihany )

( MISSISSIA )

Mihainoa ry ambany lanitra
Tsisy lanitra manga tsy hilaozan-drahoana
Fiainana tsy rano ka hisosa milamina tsy ho andalovan’onja
Aronjoronjony eny am-pitadiavana hasambarana
Any ka raha tomany, saroman-tsiky mba tsy hisaonana
Raha tandrifin-drahoana dia malahelo ny hazavana
Tsy afa-miaritra, fa tsy ampy ny hery sy ny faniriana hanosika handroso
Dia miezaka ny mitraka hatrany @izay tsy ho toloran-tànana
Avo ny ambo, mandaha tsy ho resy na mafy aza ny mahazo
Ety fandalovana, fiodinana
Tantely amam-bahoana, izay tsara no hitsikiana
Raha toa tamy ny sarotra aza hidifiana fa lahatra
Tsisy ny lafatra tsarovy
Tsy nofy ka afaka amboarina @izay drafitra tiana
Ny tany anie tsy ho paradisa na oviana
Rahoviana vao ho saina tonga ny zanak’olombelona ?
Vao ahatsapa fa mamy ny velona, mamy ny aina
Ka raha ny andro no maloka
Ny herin-tsaina no tànana hamelona ( no tànana hamelona )

REFRAIN & BRIDGE (BUDDHA EL TAGA & MI )

Dia nanontany
Ho dify ny andro ratsy sa hitohy hatrany ?
Ka ny fahorian’ny lasa no mbola hivaly androany ?( hey … hivaly androany)
Dia nanontany
Ho lefy (ve) ny fahoriana sa tsy anam-piafarany ?
Ka ny omaly, ny anio, ny ampitso hitovy ihany ? ( hey…hitovy ihany )

( MI )

Na, na, na ,na
Hirario ny andro ratsy tsy hiverina
Marary ny aina anaty, tsisy tsikitsiky hivelany
Manantena fa hiova miaraka @ fiodin’ny vintana ny maloka rehetra
Ka ny tsipi-pahazavana no ndeha ho soritana, hamikirana
Ka tsy ho lavo intsony, tsy ho resy intsony
Fa hanantena masoandro vaovao
Andoro izay rehetra andro ratsy
Ary hitsena indray tontolo vaovao atsy ho atsy
Fifaliana indray no handresy ny hakiviana
Ary hivalona hatreo ny alahelo sy fitomaniana
Na, na, na, na,….
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 3673
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 02/04/2016 20:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728