Tany code voahozona (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(VERSE ONE)
Tongasoa ato amin'ny tontolon'ny Tangala, Tontolon'ny fanahy
Dia hiaraka miniana fa anavotra ny planeta tany
Eny sarotra be niany fa atao andoha hatrany ny fiafarany
Samy tompony sa samy mpindrana
Fa ny aiko aloha dia samy - samy dia miaraka manao dingana
Solafaka rery teny enao sa nisy namingana
Ozony fa zonao ny miaina, miaina ampilaminana
Dia n'aiza n'aiza iaraka foana miaraka amin'ny fanamiana T misoritra eo aniloana
Ny planetan’ny tia tena-nao hoento any miaraka amireo biby romotra misy ao aminy
Sy ny zava maniry lo misy lomotra maniry eo antokontaniny
Voaroka enao zay dia lasa fa miverena ra hamboly fitiavana
Dia mivonona hamafa ny ratsy tamin’ny lasa
Sa tsy tiana enao teto dia ivadika planeta hafa
Andoto indray ny any ho any
Dia verenana vazoana matetitetika indray ny “dia nanontany”

Refrain
Hardcore fa ny tany voahozona
Maty ny mponina fa nisy nanampozina,
lalanan' ny tsy hay dikaina ilain ny saina mila vonona
Dia mba manana ny azy kou hono ny fiara monina
Horrorcore fany tany voahozona
Maty ny mponina fa nisy nanapozina,
lalanan' ny tsy hay dikaina ilain ny saina mila vonona
Dia mba manana ny azy koa hono ny fiara monina


(VERSE TWO)
Dia tsy ho enao tsony kosa ngamba ny amorona ny ady lehibe fahatelo
Fa ny adintsaina aza efa tsita zay anaovana azy eto mampalaelo
Ho vonoina ndray ny olona dia hanjaka ny biby ko raha tsy inona
Ataovy ao anatin’ny nofinao lalina tsy ho tanteraka any zany fa tsy maninona
Dia tsy lozan’izay hiteraka ampifoka rivotra aina kely vao
Mafatifaty fa tsy ho ela dia ho faty lozanao
Apocalypse-nao ! Iadivo varotra ho rapitso fa lozabe raha ho avy zao
Sa misy efa vonona ny mponina sa zao defa hiomana fa ny tany voahozona
Nandray antendrony ny hoe aza tia tena
Dia iny fa namono tena sady namono ny hafa
Very fa tsy nanantena
Amafy voan' haidratsy eny amin'ny saham-pambolena
Mievitena ahita ny boite miafina feno harena
Ka nataony nahita ny boiten'ny pandore
Nanokatra ka ny fiainana an-tany lasa fiainana "Hardcore"

Refrain
Hardcore fa ny tany voahozona
Maty ny mponina fa nisy nanampozina,
lalanan' ny lanitra tsy hay dikaina ilain'ny saina mila vonona
Dia mba manana ny azy koa hono ny fiara monina
Horrorcore fa ny tany voahozona
Maty ny mponina fa nisy nanapozina,
lalanan' ny tsy hay dikaina ilain ny saina mila vonona
Dia mba manana ny azy koa hono ny fiara monina

(VERSE THREE)
Soraty antaratasy ny fahorian’ ny olona
Ataovy anaty tavohangy ampanarao onja
Ho tonga any amin’ny ila-bolan-tany ampita na dia tsy ampiova n'inona n'inona firy ataovy ihany
Ampatsahivo ny olona fa 13.7 miliara ny taonan ny tany tsy mbola niova ho paradisa ihany
Efa miteny a hoe tsy eto no misy azy fa any ho any
Tsy takatry ny maso tsy takatry ny saina fa takatry ny fivavahana aza malaina
Tsy vesatry @ taona ny in-52 alahady fa maniry ny tandrokao hitako sahady
Dia ny tsofa no atao betsaka fa kamo mibebaka
Manao sarontava ary betsaka maro karazana matetika miova hendrika
Sarotra omena helatra ndrao manidina ara bakiteny
Ny tany code voahozona fa modiana tsita eny modiana fanina ombieny ombieny

Refrain
Hardcore fany tany voahozona
Maty ny mponina fa nisy nanapozina,
lalanan' ny tsy hay dikaina ilain ny saina mila vonona
Dia mba manana ny azy kou hono ny fiara monina
Horrorcore fa ny tany voahozona
Maty ny mponina fa nisy nanapozina,
lalanan' ny tsy hay dikaina ilain ny saina mila vonona
Dia mba manana ny azy koa hono ny fiara monina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 1579
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 28/08/2017 21:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4155