Karmageddon (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
buddha el taga - karmageddon

part 1

raha tokony hizotra tamin'ny tantara tsotra ny tantaran'ny tany
vao tany ampian-dohany dia efa mila miomana sahady amin'ny fiafarany
dia voaozona, voaozona itomany
f'angaha moa za no ninanana an'lay voankazo tany aloha tany
fa nisy kely saina iray voafitaky ny menarana
dia zay tantara izay no zary tsy hoadinonay mandrakizay
ndao ary atao hoe ekena
fa ty zao tontolo zao am'zao ty mintsy no fitaratry ny sahan'ny edena
misy mpamorona, misy mpamosavy, misy mpamitaka
misy voavono, misy vendrana, misy misintaka
voasoratra mialoha zay de narahantsika tokoa
ny vanimpotoana no miovaova fa ny fiainana ankehitriny miverina amin'ny fiainana taloha
ka anao ratsy zany sa anao soa
n'inoninona mitranga ny atao dia mivaly sy miverina avokoa

refrain

omeko zay tokony omeko, alaiko zay tokony alaiko
aoka ny feon'reo anjely no reko mandrapaha-tapitry ny aiko
afoiko zay tokony afoiko, inoako zay tokony inoako
ny fanahiko tsy miova loko mandra-pijanon'ny fitempon'ny foko
omeo an'andriamanitra ny voninahitra irery ihany ho an'andriamanitra
omeo an'i kaisara ny harenan'ny kaisara
avereno amin'ny buddha ny fahendrena zay tokony ho an'i buddha
dia toriantsika fitiavana reo maty fanahy
dia minoa ahy, fa misy marina ny karma
torabato miverina hoan'zay ratsy fanahy
ratsy fanahy...ratsy fanahy...ratsy fanahy

part 2

amin'ny vanim-potoanan'ny fahaterahana indray
voasoratra fa ze tsirairay nanao ny ratsy ho fay
izy ihany no mifidy ny tontolo andehanany
de zay lalany any lalany fa fadifadio fotsiny ny mandray ny tanany
aza matahoatra, fa ze namono tamin'ny sabatra dia ho fatin'ny sabatra
ka rehefa milatsaka eo ambony lohany ny varatra
toa hoe tsy mino nefa nandohalika ihany nivakaka
takany ihany ny hoe tsy mora anie zany latsaka anatin'ny lavaka
fa iza marina moa ireo ratsy?
maninona izy no tsy mba miezaka fa tsy mahay hafa tsy ny migafy?
ny firaisan-kina moa nesorina tao anaty lohany tsy mahay hafa tsy ny mifandrafy
androrosy tsisy nanozona fa nanozon-tena
fa raha mbola miloloha lanitra, zanak'iza no tsy ho lena

refrain

omeko zay tokony omeko, alaiko zay tokony alaiko
aoka ny feon'reo anjely no reko mandrapaha-tapitry ny aiko
afoiko zay tokony afoiko, inoako zay tokony inoako
ny fanahiko tsy miova loko mandra-pijanon'ny fitempon'ny foko
omeo an'andriamanitra ny voninahitra irery ihany ho an'andriamanitra
omeo an'i kaisara ny harenan'ny kaisara
avereno amin'ny buddha ny fahendrena zay tokony ho an'i buddha
dia toriantsika fitiavana reo maty fanahy
dia minoa ahy, fa misy marina ny karma
torabato miverina hoan'zay ratsy fanahy
ratsy fanahy...ratsy fanahy...ratsy fanahy


part 3

dia ndao faranan-tsika ty tantara ty amin'ny profesian'ny apokalipsy
fa raha maty aho hono dia matesa rahavako, raha zany no ataon'ny olona filozofia
dia aleo hisy tora-bato avy any andanitra
loza maromaro mitambatra ka ho fotsy ny lelan'reo mpamahan-dalitra
ho rodana sy ringana zay tontolo hita maso namikirana
refesina sy lanjaina vao afaka misafidy ny varavarana nidirana
tsisy idiran'ny lahatra na tendry na vitana
fa efa misoritra eo amin'ny andriny ny marik'ilay biby
zakao fa safidy, noho ny zay rendrarendra kely mandalo ve hatramin'ny fanahy avy no namidy
mampalahelo, atao ahoana moa fa dia indro ary raiso ny tapakila makany amin'ny helo
fitsarana farany no anarany, tsy azo iadin-k'hevitra zay ambarany
zay namingavinga voarasarasan'ny sabany

refrain

omeko zay tokony omeko, alaiko zay tokony alaiko
aoka ny feon'reo anjely no reko mandrapaha-tapitry ny aiko
afoiko zay tokony afoiko, inoako zay tokony inoako
ny fanahiko tsy miova loko mandra-pijanon'ny fitempon'ny foko
omeo an'andriamanitra ny voninahitra irery ihany ho an'andriamanitra
omeo an'i kaisara ny harenan'ny kaisara
avereno amin'ny buddha ny fahendrena zay tokony ho an'i buddha
dia toriantsika fitiavana reo maty fanahy
dia minoa ahy, fa misy marina ny karma
torabato miverina hoan'zay ratsy fanahy
ratsy fanahy...ratsy fanahy...ratsy fanahy


outro

yeah !
tsy ampy anao aho raha anao ratsy
fa tsy ampy ahy ianao raha anao soa
mety hoe angano angano arira arira, tsita fa andramo dia ho hitanao eo tokoa moa
yeah !
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 28/11/2020 00:18)
FA MANINONA NO NATAO MAJUSCULE DAHOLO?
h.bravomada2021 ( 12/12/2020 18:39)
fa enao nga niady t@ maj
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 978
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 28/11/2020 11:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.443