KALO T (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ze retratretra fantany, ze retrareta takany
Notolorany ampitiavana tsy mba nilany tambiny
Ze be fialonana ihany no nijoro ho fahavalony
Iza moa ny anakana ny fisainana efa lasa lavitra
Mahita tsipika ianao dia ny fahefanao zay no tapitra
Mipitrapitra mitazana fa ny art-anay maharitra
Ny tananay voafaritra, viking mentality
Efa vonona ny hiaritra , stoisiana philosophie
Na misy na tsy misy fitia, dia mitohy ihany ty
Ho an'ny Tangala, Ho an'ny tangaleana mpanara-dia,
Ho an'ny tangala mainty ho an'ny Tangalarmy
Haka style ka ma te ka ora zay no ataonay cri !

REF
Tandremo fa misy kalo ny tanimboly
Taga represent ambany tany ny sekoly
Tsy hoe mialokaloka ao fa tsy ampy fialamboly
Sao tsy fantany Tangala mainty ny tempoly

Avoay ny tehina, isintomana akama anaty tevana
Rassemblement Tangala, tohizo ny elanelana
Ny adidin-tsika maro , Tsika saro-piaro,
dia aleo amin'ny tsara ihany tsika no mifangaro
Ny tanjontsika ny olympe, ny tany nge hoa feno fainty
Dia mbola maro foana reo tsy tafoaka anaty labyrinthe
Tsika tsy mitazam-potsiny, tsy mifampi-todi damosina
Satria fafinaretana ny rap fa tsy asa an-terivozona
Tsy hoe kitrano an-trano ka zay tsy mahalen-kialofana
Fa ny Lamba T irakofana, Ataovy toy ny ampiga fiarovana
Dia mijoro a ho lohandohampisorona hi fahavalon'ny fiaraha monina rehefa ny rapiko ny ozonina

REF
Tandremo fa misy kalo ny tanimboly
Taga represent ambany tany ny sekoly
Tsy hoe mialokaloka ao fa tsy ampy fialamboly
Sao tsy fantany Tangala mainty ny tempoly

Lazao izy fa ny revy nianga teto 90's
Mozika tsisy fotony ataontsika rest in peace
Raha te ho tafa asevo miezaka
Fa tsy style lany inspi de buzz no atao betsaka
Fa zay motera vy, misotroa ronono enao ra reraka
Za ni-rap izy teraka, Aza manao revy degany
Jerena amin'ny radar tsy mozika tsara no hita fa ny haratsin'ny-toetrany
Lazaina maty ny rap gasy de afafy ny lainga
Ambany tany a mi perce style Onyx, Wu tang
Basy antifi-khavana iny dia bang bang
Je s'appelle Taga mitazona ny rapinay tsy ianjera
Ho ela velona ny tehina, Tangalamainty forever

REF
Tandremo fa misy kalo ny tanimboly
Taga represent ambany tany ny sekoly
Tsy hoe mialokaloka ao fa tsy ampy fialamboly
Sao tsy fantany Tangala mainty ny tempoly
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 425
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 13/11/2022 13:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0935