AD LUCEM feat ROMINA (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF : ROMINA
Nanova indray fomba fisaina e, tsy toy ny omaly e
Nanova indray fomba fijery e, mia avo hatrany e
Ny hazavana tato ampoko, tsy maty izany e, fa mbola ao ihany
Mifoahaza amin’izay fa mila anao aho,
handrakotra ahy, hanavotra ahy
Toy ny hazavana soa lay tany amboaloha
No manome, fahadiovam-po sy fanahy, fahatsoram-po

RAP PART 1 : BUDDHA EL TAGA
Han, na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha mangina aloky ny fahafatesana aza aho
Tsy atahoatra ny loza fa ianao no amiko, Ny tsora-kazonao sy ny tehinao no lasa teny an-tanako
Tondro tokana andringanako ny fahavaloko
Nanonofy a hoe lasa tany sambatra zao tontolo zao,
Dia ndao, tanterahantsika zao nofinofy zao
Tsisy fahoriana sy fijaliana intsony amen, zay no amparitao
Ny life anie mistery mila iainana fa tsy hoe olana isan’andro tsy ahitana vahaolana
Isan’andro maizimbola
Aody ry hazavana soa, aiza moa ny misy anao ? Ambarao, Aiza moa ? Aiza marina ?
Mifohaza raha matory fa ny tsapatsapa anaty maizina tsy nahitana tombo-tsoa
Ny very aza mbola afaka tadiavina, ny simba mbola afaka amboarina
Na lavo ary ianao mazava hoazy zany fa mbola afaka tafarina

REF : ROMINA
Nanova indray fomba fisaina e, tsy toy ny omaly e
Nanova indray fomba fijery e, mia avo hatrany e
Ny hazavana tato ampoko, tsy maty izany e, fa mbola ao ihany
Mifoahaza amin’izay fa mila anao aho,
handrakotra ahy, hanavotra ahy
Toy ny hazavana soa lay tany amboaloha
No manome, fahadiovam-po sy fanahy, fahatsoram-po

RAP PART 2 : BUDDHA EL TAGA
Yeah ! Aleo maty ampitsanganana toy zay velona fa mandoalika
Maninona moa ny fiainana no atao hoe sarotra
Tsy mbola niady akory dia efa miala satroka
Tsy manakana ny fisian’ny masoandro antampon-doha ny andro maloka
Na paradisa na afobe, samy tsisy azo anaovana ady varotra
Ampahalalako ianao fa mbola velona
Mbola mijoro foana hatrany na mangidy foana ny rano izay natelina
Dia zao ny vavakako ho anao :
« Ny taratry ny masoandro anie itondra ho anao angovo vaovao
Ny volana isan-kalina anasitrana sy androtsirotsy anao
Ny orana manasa loto anatinao
Ny rivotra no amafa zay rehetra mety ibahana ny fahasambaranao »
Mandehana tsisy ahiahy manerana an’izao tontolo izao
Ankafizo isan’andro ny fiainana fa tsy misy mafy mihoatra anao

REF : ROMINA
Nanova indray fomba fisaina e, tsy toy ny omaly e
Nanova indray fomba fijery e, mia avo hatrany e
Ny hazavana tato ampoko, tsy maty izany e, fa mbola ao ihany
Mifoahaza amin’izay fa mila anao aho,
handrakotra ahy, hanavotra ahy
Toy ny hazavana soa lay tany amboaloha
No manome, fahadiovam-po sy fanahy, fahatsoram-po
Mifoahaza amin’izay fa mila anao aho,
handrakotra ahy, hanavotra ahy
Toy ny hazavana soa lay tany amboaloha
No manome, fahadiovam-po sy fanahy, fahatsoram-po
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 701
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 06/04/2022 11:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724