Tiavo hajao (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa mahantra an-tany ianao
No mbola tsy handova ny lanitra ve?
Tsy an-tany tsy an-danitra hatramin'izao
Minia tsy manaja an'Andriamanitra re
Aza atao hoe tsy mba tian'Andriamanitra ianao satria ambany
Ianao eny ianao no anton'izany
Sitrakao ny ho tahiany nefa lavinao izay mba handidiany
Koa tiavo hajao ny Tomponao

Efa mpanjakan'ny tany ianao
Ka tsy mila izay lova any an-danitra ve?
Matoky fa manan-kery tsy mandao
Minia tsy manaja an'Andriamanitra re
Mba tsarovy fa vahiny mbola hody sady ho tsaraina ianao
Na tsara eny na ratsy izay natao
Raha sitrakao ny handova
Aza lavinao izay mba handidiany
Koa tiavo hajao ny Tomponao

Aza sondriana mibanjina tany
Fa tsy mahasoa ny tsy homban'i Jesoa
Ny eto anie fandalovana ihany
Tsy mety mateza fa tsy maintsy ho lo
Fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra izay no teny
Hanampy anao e ny zava-drehetra
Na harena, na fahaizana na aina mora fongana ireny
Jesoa aina , fahaizana, haren-tsy voafetra
Koa tiavo hajao ny Tomponao

A/C: Andriamiadamahatratra Miharilaza
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 270
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsikinavalona
Daty : 18/11/2022 13:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1153