Fitia tena fitia (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa ny foko ve, ny foko ve mahay
Ny foko ve mahay mamela heloka tokoa
Sa ivelany aho, sa ivelany aho toa tsara
Ivelany aho toa tsara ny ao anaty lolom-po
Moa ny foko ve, ny foko ve manaiky
NY foko ve manaiky hoe Jesoa mitoetra ao?
Sa ivelany aho, ivelany aho no Azy
Ivelany aho no Azy anatiko Izy an-kilabao

Moa ny foko ve, ny foko ve mba mety
Ny foko ve mba mety tsy hisaina lalan'ota
Sa ivelany aho, sa ivelany aho no tony
Ivelany aho no tony anaty misafotafota
Moa ny foko ve, ny foko ve mba mety
NY foko ve mba mety raha atao hoe mihetre?
Sa ivelany aho, ivelany aho manaiky
Ivelany aho manaiky anatiko mirehareha

Moa ny foko ve, ny foko ve manaiky
Ny foko ve manaiky ny hoe tsy hitsiriritra
Sa ivelany aho, sa ivelany aho anjely
Ivelany aho anjely anatiko ao mipitrapitra
Moa ny foko ve, ny foko ve matoky
NY foko ve matoky sy manaiky 'lay Tsitoha?
Sa ivelany aho, ivelany aho toa sahy
Ivelany aho toa sahy fa fanahiana ny ao an-doha

Moa ny foko ve, ny foko ve mba misy
Ny foko ve mba misy izany toetra soa onena
Sa ivelany aho, sa ivelany aho mpitsetra
Ivelany aho mpitsetra anatiko ao fitia terena
Moa ny foko ve, ny foko ve na efa
Ny foko ve na efa mba nandray ilay Mesia?
Mbola tsy hahatsapa, tsy hahatsapa izany
Tsy hahatsapa izany hoe ny FITIA TENA FITIA

A/C: Andriamiadamahatratra Miharilaza
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 576
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tsikinavalona
Daty : 15/11/2022 14:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756