Zava-dehibe (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zava-dehibe Jehovah, zava-dehibe tokoa
ka mahasaro-piaro anao e!
ilay fitiavanao ,madio sy tsara indrindra
Satrinao mba ho anay,
ho fitsipim-piainanay
ka ho fantatra mazava izahay,
fa mpianatry ny Tompo

Toriana aminao isanandro ny fitiavana manao hoe: aoka re ny namanao mba ho tahaka ny tenananao
izany re no fahendrena, tano ho filamatrao
ka ho fantatra mazava izahay fa mpianatry ny Tompo

Toy izao nitiavan'i Ray anao sy izao tontolo izao
nomeny ny zanany iray mba tsy ho very isika rehetra
Fitiavana hafa loatra, tsy azonao vidiana vola
fa natolony ny ainy mba ho famonjena antsika

a/c Samson Rakotoarivelo
AKAFA AMBATOLAMPY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Vangy : 1130
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : antsakarmela
Daty : 08/02/2017 10:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3835