MAMIKO NY MIHIRA (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Falifaly ny fo,ravoravo tokoa
ka mihirahira FIDERANA
Hirahira kanto,sy milantolanto
no ventesinay ho anao ry Ray o!
fa nomenao ho anay
isanandro ry Ray
Soa sesehena no nomenao
tsy hangina ny foko, fa hideranao ry Tompo Andriamanitra Ray tsitoha

Mamiko ry Ray o , ny mihira ho anao
hira ny fo, falifaly,
Mamiko tokoa, mamiko ry Ray na
tsy mendrika ahy aza izany
Ka ho hiraiko ihany e! ho hiraiko ihany
amin'ny feo nomenao ho ahy
ka hankalaizaiko ary koa hoderaiko
isanandro ny anaranao Ray

ANDRIAMANITRA RAY no nanome anay,
talenta maro ho entinay mihira
dia feo tsara rindra , hira kanto indrindra
no tsy afaka am-bavanay ry Ray o
hira mifamaly, feo falifaly
no entinay maneho izany hafalianay
hanandratanay ho avo , izany
voninahitrao , mba ho fideranay Anao

AKAFA AMBATOLAMPY
A/C: Samson Rakotoarivelo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Vangy : 1552
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : antsakarmela
Daty : 27/01/2017 07:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727