Mitandrema (Antsan'ny Fahazavana Ambohitrinibe (A.F.A))

Zao re ny andron’ny famonjena
Aoka isika samy handinitena
Fa tsy variana mifampitsikera
Ny ho tafita hatrizay hodian-tsy jerena
Asakasakao ‘zay sahy
Hanamari-tena
Nefa mpanota manan-kilema
Mitandrema(2),sao isika dia hamita-tena
Sao ilay voalaza fa ratsy tononkira.serasera.orgno voaray
Isika indray no voaheloka ho faty mandrakizay
Aoka re mba izay ahazoana ny famonjena
No andeha mba hihazakazahana sy jerena
Ka ny tanjona,dia
Ny handovana ny fanjakan’ny lanitra

Zao re ny andron’ny famonjena
Aoka isika samy handini-tena!

A/C: ANDRIANJAKANIRINA Manantsoa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsan'ny Fahazavana Ambohitrinibe (A.F.A)
Mpamaky : 518
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : s.aina
Tamin'ny : 29/11/2016 13:34:57
ID : 8993

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo