Raha miara maty amin'ny Tompo isika (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha miara maty amin'ny Tompo isika
Dia hiarak'ho velona aminy koa
Afaka ny gejan'ny fahafatesana
Tambin'ny haizina sy fahoriana
Nody hazavana ny haizin-kitro
Fa resin'ny Tompo ny fahafatesana
Nitsangan-ko velona ho aho ny Tompo
Mibaliaka hazavana ny tany tontolo

Ref: Derao ny anaran'ny Tompontsika
Derao Izy Tompo ry tany tontolo
Mifalia ka hirao ny fahendreny e
Aleloya, amen

Ny fandresenao ny haizina
Dia fototry ny finoanay
Tsy voahozongoazon'ny herin'ny hafa
Nitsangana ianao ka omem-boninahitra
Tolorana hoby sy fankasitrahana
Deraina hisaorana ianao aleloia
Ny tany aman-danitra anao aleloia a
Mpanjaka mahery tokoa aleloia

Vao maraina koa ireo Apostoly
Nidodododo aok'izany
Nijery ny fasana fa zary foana aa
Nandinika mafy izy vao tonga saina
Hay re ny Tompo nitsangako velona
'Zahay koa ry Tompo mba hisiki-ponitra
Hiala amin'ny ratsy fanao isan'andro
Ka hiaraka handresy aminao amin'zay



© Vetson'i Siona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Vangy : 634
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 28/09/2020 20:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3257