OLO-TSAMBATRA (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Jereo ireo kintana  maro eny  ambony,
Raha efa diavolana somambisamby,
Fitaratr’ireo  olo-tsambatra  ireny,
Sambatra loatra  eh  izy ireo,  sambatra  loatra.

Ref.  Manjopiaka,  mibaliaka,
Arahan’ny  volana  raha fenomanana,  toa tsara  bika,
Sahala  amin’ireny  hono  mantsy  ny  soa hita any  an-danitra,
Fafinaretana  mandrakizay  ao amin’Andriamanitra.

II. Matoa ravoravo  ‘reo  olom-pinidy,
Ny  fahasambarany  toa tafahoatra,
Dia ilay  rakitra soa  sarobidy,
Sambatra loatra  eh  izy ireo,  sambatra  loatra.
Ireo  vonikazo  mamoha  eny  an-tsaha,
Manaitra  ny  fo  sy  fanahy  avy  hatrany,
Mety ho  tsy  nampoizinao  izy  angaha,
Sahala amin’ireny  ny  olo-tsambatra  an-danitra  any.

III. Fantaro fa sambatra lava izy  ireny,
Mahazo  ny  soa  sesilany  tsy  ritra,
Izaho  koa  maniry  ny  mba  te  ho  eny,
Tretrika loatra  eh izy  ireo, tretrika  loatra.
Ry  anjelin’ny  Tompo  ô  mba rahoviana,
Ilay fotoana hiakarako  any?
Higoaka ‘lay  fahasambarana  soa,
Rahoviana loatra eh  izy  io,  rahoviana loatra?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2341