Aza miatsara ivelatsihy (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Milaza azy ho "tsy afaka foana" e !
Raha tokony hivavaka tsisy fotoana
Misy zavatra atao foana rehefa alahady
Ka milaza fa tsy afaka, mazava ho azy
Kanefa raha misy manjo ô
Mailaka erì : "Mba ampio aho Jesoa ô"
Fa taiza ary ianao tamin'ny ora nidona ?
Mila mibebaka aloha dia mifona

REF: Aza mihatsara ivelasihy
Diniho re ny zavatra atao, ary koa fantaro ny antony
Tsarovy e,mba tsarovy e !
Fa masina sady tsara ny Tompontsika anie !
Ka ! Ataovy ary ny asany !
Dia ! Tandrovy ny didiny !
Fa Andriamanitra tsy manampy 'zay tsy manampy ny tenany
Mila miova e !
Mila miala amin'ny ratsy fanao isan'andro ô !

II. Milaza azy ho "tena mpivavaka"
Ka mandeha "L'Eglizy" Isan'andro tsy tapaka ô
Fa moa va, mba hivavaka marina sa ... ?
Hampidera lamaody, hampiseho voninahitra ?
Ialàna tsiny ary tena ifonana
Fa masina anie 'ty trano Fiangonana ô !
Fa tsy natao hisekosekoana izy ireny !
Fa manana ny haja ary koa ny hasiny

BRIDGE: Ny finoana ry anona tsisy ady hevitra f'arahin'asa
Kristianina tsotra no eritreretina,tena tsy lasa !
Fa midira fikambanana
Dia "tariso" ireo namana
F'aza dia misalasala ô, misy maro ao isafidianana
Fa tandremo sao "Mapne"
Mpisoloky mandehandeha
Misoratra soa aman-tsara ao anaty lisitra, kanefa
Tsy hita akory 'zay ataon'ise !

III. Misy aza tsy misalasala
Ka manao fanahy iniana misitaka miala !
Dia rehefa misy fety, miverina indray
Ka mody hoe "Mpikambana izahay !"
Tsy hoe akory izahay tonga lafatra
Raha toa ka miteny ary koa mananatra ô !
Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby ~ hmm ~
Atsipy ny teny ao am-pon'ny mahalala !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Vangy : 495
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 16/11/2021 20:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2089