Jesoa ianao no faniloko (Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy Omega)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa ianao no faniloko ary fahazavahan'ny diako
(fa ianao) ianao ianao hatrany no tokiko eto an-tany
ka na rivo-tsifofo na onja mahery tsy hanary toky ho very
(fa ianao)ianao no apinga Jesoa, sy fiarovako eny
fa aroko mandrakizay
(*2)

Ref : Ka na iza na zovy hikasa
hampiasa ny tetika ataon'ny satana

ny mandako efa mafy orina e (efa mafy izao)
ny vatsy koa eh vonona e ( efa vonona)
satria ianao no efa, noefa indro
anilako eo

Jesoa ianao no mpitarika kapiteny mahery indrindra
( fa ianao) ianao ianao, hatrany no mpintantana ahy raha hamindra
ka mandry eo ivohon'ny vato aho izao tena sambatra anilanao
(fa ianao) ianao ianao ihany Jesoa Tokiko hatrany eny
hatrany an-danitra any
(*2)

Ref : Ka na iza na zovy hikasa
hampiasa ny tetika ataon'ny satana

ny mandako efa mafy orina e (efa mafy izao)
ny vatsy koa eh vonona e ( efa vonona)
satria ianao no efa, noefa indro
anilako eo
(*2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy Omega
Vangy : 34
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : NyAinaRkt
Daty : 07/05/2024 12:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073