Ny Tena Fiainana (Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy Omega)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misosa mora teo amin'ny fiainako
Ny zava-dratsy sy zava-tsoa
nilatsaka tanatin'ny fo sy loha
ary hitan'ny masoko roa

Koa asakasakao, izay mbola variana
Fa mandalo izao fiainana izao
koa hitodio ny lasa, dia banjino ny ho avy
fa izany no tena fiainana

Misosa mora teo amin'ny fiainako
Ny zava-dratsy sy zava-tsoa
nilatsaka tanatin'ny fo sy loha
ary hitan'ny masoko roa

Hapetrako eo aminao re ry Ray
ny fiainako ho mandrakizay
satria ianao nampiova ny fo sy loha
mba ho mpanompo mahatoky sy hankatoa

Koa raha misy any ho any, izay mbola variana
dia tsarovy fa fandalovana ny ety
fa manampetra izao, fiainana izao
fa Andriamanitra no TENA FIAINANA

Hapetrako eo aminao re ry Ray
ny fiainako ho mandrakizay
satria ianao nampiova ny fo sy loha
mba ho mpanompo mahatoky sy hankatoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy Omega
Vangy : 24
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : NyAinaRkt
Daty : 07/05/2024 11:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753