Resin'ny Tompo (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Resin’ny Tompo Jesoa ny fasana
Tanteraka soa ny fanavotana
Mifalia fa efa, efa nitsangana Ilay nandrasana
Hanafaka antsika sy ho fananganana
Asandrato avo
Fa efa velona ny Mpamonjy Ilay Andriamanitra
Jesosy Tompo izay nilonjy nibaby ny tsy heloka
Koa andao hanambara sy hankalaza ny famonjena
Resin’ny Tompo Jesoa ny fasana
Tanteraka soa ny fanavotana
Mifalia fa efa, efa nitsangana Ilay nandrasana
Hanafaka antsika sy ho fananganana

2/
Resin’ny Tompo Jesoa ny rafy namatotra antsika
Ka hofongorana, mifalia fa efa
Tapaka hatreo ny rojon’ota nangeja hatrizay tsy nampifoha
He jereonareo fa
Efa mivoha izao ilay Edena izay nihidy taloha
Jesosy Tompo efa nomena hamerina indray ny zo
Miravoa, mihobia, ka derao ny Mpanjakantsika
Resin’ny Tompo Jesoa ny rafy namatotra antsika
Ka hofongorana, mifalia fa efa
Tapaka hatreo ny rojon’ota nangeja hatrizay tsy nampifoha

3/
Resin’ny Tompo Jesoa ny aizina namonto ny tany
Nampitomany, mifalia fa efa
Lavo ilay ratsy ka indro faizina
Ny sento rehetra e hofafànay
Koa henoy ry tany
Ndao hiarahaba ary koa hihoby Ilay Tompo Mpandresy
Hirao ny Tsanta sy ny Antema mba hanakoako ety
Mitehafa, mandihiza, azontsika ny famonjena
Resin’ny Tompo Jesoa ny aizina namonto ny tany
Nampitomany, mifalia fa efa
Lavo ilay ratsy ka indro faizina
Ny sento rehetra e hofafànay

Moa fantatrao va fa ny fahotana izay nampiery ny fiadanana
Jesosy efa nanasa ary koa nandio, handray ho havana antsika
Koa aza misalasala anio fa andao hanatona
Io hatak’andronao io anie ka ho sazy mihantona
O avia, ka meteza mba handray ny famonjena
Efa akaiky ny fitsarana hamongorana an-tany an’i Satana
Mitsangana, fa ny fiadanana izay omena
Dia Jesosy Tompo Ilay famonjena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 143
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 09/11/2023 09:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759