Ny hasambarana (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Ny hasambarana dia tena iriana fatratra
Maharenoka ny fo fa feno lafatra
Ka tsy ankiato ny asa atao hazoana azy ety
Tsy hitandroana hery na fotoana lany
Satria, eken’ny maro fa ao no misy hafaliana
Hanoloana koa ireo sento fihafiana
Ka na ny ory na ny manana mikatsaka azy avokoa
Mba ho an-tanana
Tsy mahagaga raha toa hifanjevoana koa
Ny fitadiavana izay hahasambatra ety
Fa ataon’ny maro ho ny harena be
Na saina, hery ananana re
No tanjona mety hitafiana ny hasambarana
Eny misy ny manana tena mpanefo koa
Eo anivon’ny fiadanana ampoky ny soa
Nefa tsy mahita hasambarana, tsy afa-po
Satria tsy manana an’i Jesoa

2/
Nomena baiko hampiharina ny olona
Dia ny hifanasoa sy tsy hiolonolona
Naseho koa ny marina ny amin’ny lalana
Izay hazoana ilay tena hasambarana
Dia ny finoana an’i Jesoa Tompo Mpanavotra
Ny fialàna amin’ny ota mampifatotra
Ary ny fitandremana ny tenin’ny Tsitoha
Izany no hahasambatra ny fo
Fa ny fanarana am-po no tena mahavoa
Raha tsy voafehy ho loza tokoa
Ny fitiavana ny rendrarendra
Ny fitokiana ny kisendrasendra
Dia tsy hahitàna na oviana ny tena hasambarana
Ny tsy firaina ireo fandrika mivelatra
Izay miafina amin’endrika manjelatra
Ny avonavonm-po sy ny tsy fankatoavana
Dia tsy mba mitondra hasambara

3/
Mafy ny fiainana ka mampitonatonana
Maro no sahira ara-pivelomana
Toa mila tsy ho velona ny ankohonana
Misy aza ny matory amin’izao tsy homana
Dia miezaka etsy sy eroa mitady lalana
Handresena fahatrana, tsy fananana
Ny faniriana anaty fo dia fitsaharana
Ka ny sento hiova hasambarana
Raha semban-drahona re ka maizina ny dia
Dia fadio ny ho ketraka an-dalana ety
Fa ny hakiviana dia fahalemena
Mitondra koa ho amin’ny faharesena
Manakana ny fibaliakan’ny hasambarana
Ny fahoriana na koa ny fifaliana
Dia mety hanjo ka tsy azo hidifiana
Fa izay mandray sy manaiky an’i Jesoa am-po
No hanam-piainam-pahasambarana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 150
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 09/11/2023 09:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2267