Hira fiderana (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Hira fiderana re no hira maminay
Tsy hiala am-bavanay sy an’ireo taranakay
Fa mahafinaritra, manentana ny fo
Ka mampahery anay hahazaka izay manjo
(Ka indro)
Fiderana re asandratra an-danitra
Mba ho fankalazana Anao Andriamanitra
(Ka indro)
Fiderana re asandratra an-danitra
Mba ho fankalazana Anao Andriamanitra

Refrain :
Tsy hangina na oviana re ny feonay
Fa haneho fiderana Anao Tompo Tsitoha
(Mpanjakanay) Mpamonjy
Nahafoy ny ainao Ianao
Mba ho avotray ety
Hira fiderana no entinay mihoby Anao
Hira fiderana no entinay mihoby Anao

2/
Hira fiderana no hiran’ny lanitra
Izay ankasitrahan’ny Tompo Andriamanitra
Fa ny mponina any an-koatra sy ireo voavonjy
Dia mihoby sy midera ny Mpamonjy
(Izao no)
Fanirianay ny hiray feo amin’izy ireo
Ka ho santatr’izany re ity hiranay ity
(Izao no)
Fanirianay ny hiray feo amin’izy ireo
Ka ho santatr’izany re ity hiranay ity

3/
Hira fiderana anie hirao ry mino
Dia hihaino anao Izy ary tsy hanadino
Fa homeny fifaliana, fitahiana koa
Ka hiadana ny fo ho sambatra tokoa
(Minoa fa)
Raha fiderana no mitoetra an-dasinao
Dia homba sy hiaro anao Ilay Tompo
(Minoa fa)
Raha fiderana no mitoetra an-dasinao
Dia homba sy hiaro anao Ilay Tompo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 164
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 09/11/2023 08:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739