Fiadanana (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Ankalazaina isan-taona
Ny fatsiarovana ny andro noely
Ka ny eran-tany miravo, misaoma
Na tanora, na antitra, na zazakely
Dia mihaona ny mpianakavy
Mpifampitaona hamonjy tempoly
Mba hihoby Ilay ho avy nandresy devoly
Fiadanana an-tany

Ny olona tamin’izay tsy nahafantatra
Fa ny Mesia, Ilay Mpamonjy dia Andriamanitra
Ka indrisy, fa olom-bitsy
Olon-tsotra, vahiny no nilahatra
Hanome voninahitra Azy
Sy nitsaoka Azy tety
Satria tsy nisy nandray
Ilay zanaky ny Ray

2/
Efa mahazatra isan-taona
Ny fankalazana ny andro noely
Misy aza milaza ho zava-poana
Ny manao izany fa hoe sampikely
Ny fahaterahan’i Mesia
No nampiorina ny famonjena
Fanantenana ho an’ny nania ka ekena
Sy mendrika ho hiraina

Nefa tsy fety korana n’haingo fatratra
No tokony ho an-tsaina ka hibahana
Fa ny Tompo, nanolo-tena
Mba hitondra ny hafatry ny lanitra
Ho antsika olombelona an-tany
Dia ny fibebahana sy ny finoana Azy
No fiadanana hatrany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 163
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 09/11/2023 10:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2901