Atolotro (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro fa (indro fa)
Atolotro (atolotro)
Anao ry Ray (Anao ry Ray)
Ny tenako (ny tenako)
Sy fo fanahy (sy fo fanahy)
Fa resinao (fa resinao)
Ka tsy handà (ka tsy handà)
Fa babonao (fa babo)
Tanteraka

1/
Indro fa atolotro Anao ry Ray
Ny tenako sy fo, fanahy
Fa resinao aho ka tsy sahy handà
Babonao tanteraka
Ka manaiky aho ho Anao

Refrain :
Tompoko sy Andriamanitro
Ianao ka dia isaorako
Be fitiavana, Mpamindra fo
No iankinako ka tsy manahy
Ka ny ho aviko, ny ampitsoko
Izay momba ahy, ankiniko Aminao
Satria Ianao no anjarako

2/
Manana an’iza moa ity izaho Jesoa
Hianterako ety
Afa-tsy Ianao Ilay tena tia ahy
Ka mampionona ny fo
Raha sendra ny manjo

3/
Iza no manam-pitiavana toy izao
Sahy manome ny ainy ho anao
Raha tsy i Jesoa ilay Fitiavana
Ka manambitamby ery
Ka miantso hoe avia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 185
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 08/11/2023 15:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746