Ampahalalao ahy (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/ Tompo ô ampahalalao ahy
Raha sitrakao, anio izao
Ny fisedram-panahy
Izay niainanao
Fony Ianao tety
Tsy ho jamban’ny, harena sy
Vola amam-boninahitra
F’hibanjina, ny lalanao
Mba handovako lanitra
Tompo ô ampahalalao ahy
Raha sitrakao, anio izao
Ny fisedram-panahy
Izay niainanao
Fony Ianao tety
2/
Tompo ô ampahazakao ahy
Ny hazofijalianao
Mba tsy ho kivy
na hihemotra
Fa handresy fankam-panahy
Hanara-dia, Anao Kristy
An-kasahiana sy am-pitia
Tsy hatahotra, na hiahotra
Satria Ianao mitantana
Tompo ô ampahazakao ahy
Ny zioga izay omenao ahy
Mba tsy ho kivy
na hihemotra
Fa handresy fankam-panahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)Vangy : 304
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 08/11/2023 13:55