Mitoto vary diavolana (Andrianary Ratianarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny mangorak'olon-tsy tiana
Mitoto vary diavolana
Mihantsy fampahoriana
Mandrava tady efa miolana
Ny manin'olo-tsy sitraka
Sikidy mila voatsiary
Ary sarintsarim-pamitaka
Salama toa te-harary
Ny misento izay tsy lalaina
Mandraoka rano efa raraka
Mandena lamba efa maina
Manao ankaso ny mpiaraka
Ny fitia: hanin-tsahaza
Raha anombinana; mankanavy
Fanomezana an-tanan-jaza
Tsy omena zaza miangavy

Feony: Andrianary Ratianarivo
Tonony: Rodlish (Rakotoarivony Arthur)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Andrianary Ratianarivo
Vangy : 1101
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kalofahiny
Daty : 24/01/2022 05:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115