Teraka ho anao (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry olona ô ! avia ! ô ! miravoa ! ô ! mifalia
Fa Mpamonjy tia no nidina tonga tety
Ho ahy sy ho anao, isika izao no tiany
Teraka ho anao ny Mesia
Ry olona ô ! avia ! ô ! miravoa ! ô ! mifalia
Fa Mpamonjy tia no nidina tonga tety
Ho ahy sy ho anao, isika izao no tiany
Teraka ho anao ny Mesia

1.Asandrato ho re manako ny hiranao
Toy ny feon’ireo anjely marobe
Injao mihira tsy mitsahatra hoe :
Teraka ho anao ny Mesia
Ô ! hobio fa Tompo tena manan-daza
Derao Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka
Omeo ny voninahitra fa :
Teraka ho anao ny Mesia

Ry olona ô ! avia ! ô ! miravoa ! ô ! mifalia
Fa Mpamonjy tia no nidina tonga tety
Ho ahy sy ho anao, isika izao no tiany
Teraka ho anao ny Mesia (interlude)

2.Atolory ho an’ny Tompo ny fonao
Mba ho solon ‘ny fihinanam-bilona
Avelao,  avelao hanjaka ao Jesoa satria :
Teraka ho anao ny Mesia
Ô ! Jesoa ity ny foko ho Anao
Vohaiko re hidiranao ka hanjakao
Raisiko ho Mpanjakako Ianao fa :
Teraka ho ahy koa ny Mesia

Ry olona ô ! avia ! ô ! miravoa ! ô ! mifalia
Fa Mpamonjy tia no nidina tonga tety (nidina tety)
Ho ahy sy ho anao, isika izao no tiany
Teraka ho anao ny Mesia (a ! a ! a !...)
Ry olona ô ! avia ! ô ! miravoa ! ô ! mifalia
Fa Mpamonjy tia no nidina tonga tety
Ho ahy sy ho anao, isika izao no tiany
Teraka ho anao ny Mesia
Teraka ho anao ny Mesia
Teraka ho anao ny… Me-sia

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMPIZIFA
Visites : 234
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : AMPIZIFA
Date : 04/06/2025 11:30
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0705