TAFATOETRA (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamindrà fo amiko Andriamanitro ô!
Fa Ianao no hialofan'ny fanahiko
Dia ny ao amin'ny aloky ny helatrao
No hialoka aho raha misy loza

Mitaraina Aminao aho ry Avo indrindra ô!
Dia Aminao ry Ray Mpamonjy ahy
Mba diovy aho ho afa-pahotana Andriamanitray ô!
Sasao aho mba ho fotsy madio

Mamindrà fo amiko Andriamanitro ô!
Araka ny haben'ny Fahasoavanao
Aza manary ahy hiala Aminao
Amorony fo madio Andriamanitra ô!

Mitaraina Aminao aho ry Avo indrindra ô!
Havaozy hiorim-paka ny fanahiko
Ka ho tafatoetra Aminao re ny foko Andriamanitray ô!
Ka ho tafatoetra, tafatoetra ny foko

Hihira aho sy hankalaza Anao
Hankalaza, hankalaza Anao
Hifoha maraina aho mba hidera Anao
Misandrata any ambony Ianao

Tafatoetra Aminao ny foko
Fa lehibe ny Famindramponao
Ary mihàtra amin'ny rahona ny Famindramponao Rayô!
Misandràta Ianao, any ambony Ianao

Tafatoetra Aminao ny foko
Fa lehibe ny Famindramponao
Ary mihàtra amin'ny rahona ny Famindramponao Rayô!
Misandràta Ianao, any ambony Ianao

Hihira aho sy hankalaza Anao
Hankalaza, hankalaza Anao
Hifoha maraina aho mba hidera Anao
Misandrata any ambony Ianao

Tafatoetra Aminao ny foko
Fa lehibe ny Famindramponao
Ary mihàtra amin'ny rahona ny Famindramponao Rayô!
Misandràta Ianao any ambony Ianao

Fa lehibe sy mihàtra amin'ny Lanitra ny Famindramponao

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIZIFA
Vangy : 176
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 28/03/2024 13:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123