OMENY FIADANANA (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
F'Izaho mahalala ny hevitra hiheverako anareo rehetra, hoy Jehovah
Dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, fa tsy loza
Mba hanome anareo ny fanantenana ny farany
Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka dia hihaino anareo Aho

(Ary hitady Ahy ianareo dia hohitanareo) raha toa ka katsahinareo

Mba katsaho ao am-ponao Jehovah, aoreno Aminy ny finoana
Dia hohitanareo sy ho tsapanareo fa omeny fiadanana ianareo

(Ary hitady Ahy ianareo dia hohitanareo) raha toa ka katsahinareo
(Ary hitady Ahy ianareo dia hohitanareo) raha toa ka katsahinareo
Mba katsaho ao am-ponao Jehovah, aoreno Aminy ny finoana
Dia ho hitanareo sy ho tsapanareo fa omeny fiadanana ianareo

F'Izaho mahalala ny hevitra hiheverako anareo rehetra, hoy Jehovah
Dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, fa tsy loza
Mba hanome anareo ny fanantenana ny farany
Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka dia hihaino anareo Aho

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIZIFA
Vangy : 136
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 26/03/2024 14:06
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118